<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.B. Dykes</author>
<hymn_number>582</hymn_number>
<title>Ry Jeso o tahio izahay aty am-pandehananay FFPM582</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ô ! tahio izahay
 Atý am-pandehananay ;
 Ny hadalanay avelao,
 Ny fonay koa ovay ho vao,
 Arovy re ny olonao,
 Ny lalanay mba hazavao.

[V2]
 Ny aizim-be alehanay,
 Mamely koa ny rafinay ;
 Tsy fantatray izay hanjo
 Ka be ny tahotra ao am-po.
 Arovy re ..sns.

[V3]
 Mikasa mafy izahay
 Ho tsara, nefa fantatray
 Fa raha tsy ambininao,
 Tsy misy azonay atao.
 Arovy re ..sns.

[V4]
 Mba tano mafy izahay
 Ambara-pahafatinay,
 Dia ento ao an-danitrao
 Izahay ho faly aminao.
 Arovy re ..sns.</lyrics>
</song>